ILAY TSY MANAN-TSINY - Jean-Louis VELOMARO

Jean-Louis VELOMARO

Tonalité : C - Ab - Eb
Tempo (BPM) : 65 - 93
Année de composition : 2019


Tsarovy re izao, ny avotra nataon'ny Tomponao Kristy
Nandatsaka ny ràny noho ny helotsika, nijaly re Kristy.
Kanefa tsy meloka Ilay Tomponao, sy tsy mba manan-tsiny re !
Fa foin-dRainy ho faty, noho ny fitiavany, nijaly re Kristy.

Niaritra ireo kapoka Izy, niaritra eso koa
Nefa tsy nahatazona Azy ny fasana

Velona ny Tompontsika, velona ny Tompo
Velona Izy, resiny izao ny fahafatesana, velona !

Velona ny Tompo, tafatsangana Izy
Resiny izao ny fahafatesana.

Voavonjy re, isika izao (izao)
Haleloia !
Natolony ho anao ny tenany, (Natolony ho anao ny tenany ho famonjena anao e)
Ka atolory Azy izao ny tenanao. (Ka atolory Azy izao ny tenanao, ho Azy, ny tenanao ouh)