Androm-pahasoavana - Pastora RAMANANTSOA Haja Wilson

Pastora RAMANANTSOA Haja Wilson

Do dia A 4/4


Androm-pahasoavana feno hafaliana
Fa ny famonjena azo tsy vidina
Ilay Ray Tsitoha no isaorana eram-po
Fa nampiposaka Mazava soa tokoa

Ny fahasoavan'Andriamanitra tsy ho lany
Nomeny hanafaka ny mino izany
Ka ny marina amin'ny finoana ihany
No ho velona hatrany an-danitra any

'Lay Jesosy niharitra ny fahoriana
Voahombo tamin'ny hazo fijaliana
Lehibe tokoa ny fitiavany
Ny mino Azy dia nataony ho havany

Ny Fiangonanay velomin'ny Fanahy
Dia maharitra na dia alaim-panahy
Tsy mitsahatra mitory famonjena
Mijoro ho Mpaminany ho an'ny firenena